Tombontsoa ara-pahasalamana amin’ny vokatra fanodinana karaoty
Tombontsoa ara-pahasalamana amin’ny vokatra fanodinana karaoty Ny karaoty dia iray amin’ireo legioma manankarena amin’ny vitamina A sy ireo antioxydants manampy amin’ny fitazonana ny hery fiarovana sy ny fahasalaman’ny maso. Rehefa voaodina ho lasa vokatra toy ny ranom-boankazo, vovo-karaoty, confiture, biscuit na lasopy , dia mitahiry ny ankamaroan’ny otrikaina fototra izy, ka lasa mora ampidirina amin’ny sakafo andavanandro. 1. Mampahery maso sy hoditra Ny bêta-carotène ao amin’ny karaoty dia manampy amin’ny fanamafisana ny fahitana, indrindra amin’ny hazavana malefaka. Rehefa atao vovo-karaoty na jus de carotte , dia mora raisin’ny vatana kokoa io otrikaina io, ka manampy amin’ny fanavaozana ny sela sy ny fahasalaman’ny hoditra. 2. Manampy hery fiarovana Ny vokatra fanodinana karaoty dia manankarena amin’ny vitamina C , antioxydants , ary mineraly ilaina amin’ny fiarovana ny vatana amin’ny aretina. Ny fanampiana lasopy na jus de carotte ...